1 Fivavak'i Davida. Jehovah , mihainoa ny rariny, mandrenesa ny fitarainako, atongilano ny sofinao amin'ny fivavako avy amin'ny molotra tsy misy fitaka.

2 Hivoaka avy eo anatrehanao ny fitsarana ahy; ny masonao hijery marina.

3 Nizaha toetra ny foko Hianao, namantatra ahy nony alina; nizaha toetra ahy tamin'ny memy Hianao, fa tsy nahita na inona na inona; ny vavako tsy hafa noho ny eritreritro*. [Na: fa tsy nahita hevi-dratsy; Tsy ho diso ny vavako na: Mikasa tsy hampanota ny vavako aho]

4 Ny amin'ny asan'ny olona, dia ny tenin'ny molotrao no nitandremako tsy ho amin'ny lalan'ny mpanao an-keriny.

5 Ny diako maharitra eo amin'ny lalanao, tsy solafaka ny tongotro.

6 Izaho miantso Anao, ka mamaly ahy Hianao, Andriamanitra ; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny teniko.

7 Ataovy mahagaga ny famindram-ponao, ry Mpamonjy amin'ny tananao ankavanana izay olona mialoka aminao, mba tsy ho azon'ny fahavalo.

8 Arovy tahaka ny anakandriamaso aho, afeno ao ambanin'ny aloky ny elatrao,

9 Mba tsy ho azon'ny ratsy fanahy izay mampahory ahy, dia ny fahavaloko masiaka, izay manodidina ahy.

10 Efa mihirim-belona izy; teny miavonavona no aloaky ny vavany.

11 Manodidina anay* amin'ny alehanay ankehitriny izy, Vandrininy hapotrany amin'ny tany izahay;[Na: Ahy]

12 Ny fijery azy dia tahaka ny liona noana ta-hamiravira, sy tahaka ny liona tanora mamitsaka ao am-pierena.

13 Mitsangna, Jehovah , sakano izy, aripaho izy; vonjeo amin'ny sabatrao ny fanahiko tsy ho azon'ny ratsy fanahy;

14 Vonjeo amin'ny tananao aho, Jehovah , mba tsy ho azon'ny olon'izao tontolo izao, izay manana ny anjarany amin'izao fiainana izao, sady fenoinao ny harenao ny kibony; Maro anaka izy, dia mamela ny fananany be ho an'ny zanany madinika.

15 Fa izaho kosa, dia aoka hahita ny tavanao amin'ny fahamarinana; aoka ny endrikao no hahafa-po ahy, raha mifoha.
